dimanche 1 novembre 2015
mercredi 28 octobre 2015
fandaharana momba ny endrika sasantsasany ny fanondrotana ny zon'ny vehivavy
Anio amin'ny 4 ora tolakandro ary rahampitso amin'ny 9 ora maraina dia hisy fandaharana momba ny endrika sasantsasany ny fanondrotana ny zon'ny vehivavy ao amin'ny fandaharana 'Koloy ny Antsika" izay vokarin'ny Televiziona Malagasy. Anisan'ny mandray anjara amin'izany i Mireille Rabenoro. Koa manasa antsika rehetra hanaraka ny fandaharana.
Hafatra avy amin'i Mireille Rabenoro
Vita omaly Talata 27 octobre
ny dingana voalohany amin'ny fifidianana izay ho kandida-ny
Faritanin'Antananarivo ho mpikambana ao amin'ny CNIDH, ka lany
tamin'izany, amin'ny entite 'Droits des femmes" aho, kandida natolotr'i
Focus Development Association, izay mpikambana ao amin'ny Conseil
National des Femmes (CNFM).
Koa manolotra ny fisaorana sy fankasitrahana feno ireo fikambanana rehetra tonga nandray anjara tamin'ny fifidianana.
Tsy ho voatanisa tsirairay eto, fa ianareo no vy nahitana izao naha lany anay izao, dia izahay sy i Nara Zenaide, secretaire executive ny CNFM, izay lany ho grande electrice (entite Droits des femmes ihany koa) eto amin'ny Faritanin'Antananarivo.
Tsy adino koa anefa ireo namana nankahery tamin'ny email na tamin'ny site internet.
Dingana manaraka : fiatrehana ny fifidianana nasionaly, izay hifidianan'ny grands electeurs 48 izay ho solotenan'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny CNIDH.
Samy hiezaka indray isika eto handresy lahatra izay grands electeurs azontsika ifandraisana any amin'ny Faritany rehetra, hifidy ny tenako amin'ny entite "Droits des Femmes".
Mitohy ny tolona !
Koa manolotra ny fisaorana sy fankasitrahana feno ireo fikambanana rehetra tonga nandray anjara tamin'ny fifidianana.
Tsy ho voatanisa tsirairay eto, fa ianareo no vy nahitana izao naha lany anay izao, dia izahay sy i Nara Zenaide, secretaire executive ny CNFM, izay lany ho grande electrice (entite Droits des femmes ihany koa) eto amin'ny Faritanin'Antananarivo.
Tsy adino koa anefa ireo namana nankahery tamin'ny email na tamin'ny site internet.
Dingana manaraka : fiatrehana ny fifidianana nasionaly, izay hifidianan'ny grands electeurs 48 izay ho solotenan'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny CNIDH.
Samy hiezaka indray isika eto handresy lahatra izay grands electeurs azontsika ifandraisana any amin'ny Faritany rehetra, hifidy ny tenako amin'ny entite "Droits des Femmes".
Mitohy ny tolona !
lundi 19 octobre 2015
Fifidiana ho mpikambana ao amin'ny CNIDH na Voamiera Mahaleotena Miaro ny Zon’Olombelona
Iza no afaka mifidy?
Ireo fikambanana na ONG miorina ara-dalàna ka manana "statut" sy "récépissé d’enregistrement' na 'arrêté de création".
Aiza no mifidy?
Ny andiany voalohany, izay fifidianana ny "grands électeurs" dia amin'ireto toerana sy fotoana manaraka ireto:
- 12 sy13 Octobra 2015: Hôtel Tombontsoa FIANARANTSOA
- 12 sy 13 Octobra 2015: Hôtel Les Roches Rouges MAHAJANGA
- 15 sy 16 Octobra 2015: Hôtel Victory TOLIARA
- 16 sy 17 Octobra 2015: Hôtel de la Poste ANTSIRANANA
- 22 sy 23 Octobra 2015: Espace Miou Miou TOAMASINA
- 26 sy 27 Octobra 2015: Development Learning Center (DLC) Anosy ANTANANARIVO.
Ahoana ny fizotry ny fifidianana?
- Ny andro voalohany : mandray ny antotantaratasy momban'ny fikambanana izay hifidy ny "grands électeurs" ny vaomiera manokana misahana izany.
- Ny andro faharoa: mamoaka ny lisitry ny mpifidy"grands électeurs"
- Amin'io andro io ihany dia manendry "grands électeurs" roa (2) sy fiandry iray (01) isaky ny vondrona ary isaky ny faritany ireo mpitarikan'ny fikambanana na ONG (ohatra: "grands électeurs" 2 ho an'ny filambanana miaro ny zon'ny ankizy + fiandry 1raha sendra tsy afaka ny iray amin'ireo solontena 2).
- 03 novambra: mifidy ireo mpikambana isaky ny vondrona ny "grands électeurs" isaky ny faritany
dimanche 18 octobre 2015
Hetsika ho an'ny miralenta: nisy vokany ve?
Intervention de Madame Mireille Rabenoro à l’émission « ELLES » du 26/02/13(extrait)
vendredi 16 octobre 2015
Inona no hataon-dRabenoro Mireille, raha lany soa aman-tsara ho mpikambana ao amin’ny CNIDH ?
Voalohany indrindra, hitady izay fomba fiaraha monina
mirindra indrindra, fiaraha miasa mahomby indrindra, eo amin’ny samy mpikambana
ao amin’ny CNIDH, mba hahatanteraka io filamatra io.
Miverimberina ao amin’ny Fanambarana Maneran-tany
momba ny Zon’Olombelona ny teny hoe ‘égalité’ izay hadika malalaka ho
‘miralenta’ – eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, fa koa eo amin’ny samy
olombelona fa samy hafa fihaviana, na fivavahana, na volon-koditra, sns.
Samy homeko lanjany avokoa ireny, fa ny miralenta eo
amin’ny lehilahy sy ny vehivavy no ananako traikefa manokana.
Ohatra : voalaza ao amin’ny Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona fa “ny isam-batan’olona dia manana zo hiaina ao anaty fahafahana sy fiarovana ny tenany” (and. Faha-3). Indrisy anefa, fa isan’andro vaky izao, mamaky amin’ny gazety fa nisy vehivavy, na ankizy vavy kely, voaolana sy novonoina ho faty indray tetsy sy teroa (jereo ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny Madagascar-tribune.com ny 26 juillet 2014 : « Le plus fondamental des droits de l’homme – et de la femme : le droit à la vie”.
Ohatra koa : voalaza ao amin’ny Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona fa “ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitovy zo (na : mira lenta) eo amin’ny fanambadiana, na mandritra ny maha mpivady izy izany na rehefa rava ny fanambadiana” (and. Faha 16). Izany anefa dia matetika tsy tanteraka, ary tsy eken’ny sain’ny lehilahy sasany akory (jereo ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny Madagascar-tribune.com tamin’ny 26 Aogositra 2014, “L’égalité entre les époux, base de la reconstruction sociale”.
Izany dia mifanandrify indrindra amin’ny andraikitry ny CNIDH, voarakitry ny lalàna manorina azy : “Mampahafantatra ny zon’olombelona ary miady amin’ny fomba rehetra mety hanitsakitsahana izany, amin’ny alalan’ny fanairana ny vahoaka izay homem-baovao sy fanabeazana mampiasa ny fanampariaham-baovao samihafa” (and. Faha 2, 11).
Ankoatra ny famoahana lahatsoratra an-gazety, dia maro samihafa ny fomba nentiko nandalina sy nanohana io zon’olombelona io, ary indrindra ao anatin’izany ny miralenta eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Teo ohatra ny fiaraha miasa amin’ny vondron’olona samihafa (Fanjakana, parlemantera, fikambanana samihafa) namolavolana sy nanosehana volavolan-dalàna hanatsaràna ny fiarovana ny zon’olombelona, indrindra amin’ny lafin’ny miralenta eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ka nahatafiditra ny andininy faha-6 ao amin’ny Lalam-panorenana tamin’ny 2010 mikasika ny miralenta.
Fiaraha miasa tamin’ny vondron’olona samihafa toa izany koa no nahafahana nanoratra ny tatitra mikasika ny fampiharana ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana mikasika ny Famongarana ny Fanavakavahana amin’ny endriny rehetra mihatra amin’ny Vehivavy, izay nentiko narovana tany New York (Tatitra Voalohany, 1994), tamin’ny naha Tale miandraikitra ny Vehivavy sy ny Ankizy ahy tao amin’ny Ministeran’ny Mponina. Anisan’ny solontenan’ny Fanjakana Malagasy ihany koa aho tamin’ny niarovana ny Tatitra Faharoa (Genève, 2008), ary niara-nanoratra ny Tatitry ny Fiarahamonimpirenena tamin’ny namana hafa avy amin’ny fikambanana rahavavy vao haseho any Genève ato ho ato.
Fanoloran-kevitra, volavolan-dalàna ho an’ny Fanjakana mpanatanteraka sy ny Parlemanta ; fanaovana tatitra amin’ny Fanjakana mikasika ny zon’olombelona ; fandraisana anjara amin’ny tatitra tsy maintsy hataon’ny Fanjakana eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena, mikasika ny fanatanterahana ny fifanarahana samihafa : izany dia anisan’ny asa ho tanterahin’ny CNIDH rahatrizay tafantsangana, ary efa ananako traikefa.
Hampiseho
ny fiarahamonimpirenena fa tena saro-mpiaro amin’ny fiarovana sy fanondrotana
ny zon’olombelona, ary mahavita azy : izay no tanjona iriako hiaraha-manana
amin’ny CNIDH manontolo.
Ny CNIDH, na Voamiera Mahaleotena Miaro ny Zon’Olombelona : Hanao inona ?
“Ilaina
ny zon’olombelona ho voaaro anaty Fanjakana tan-dalàna, mba tsy hahavoatery ny olona
hikomy noho ny fanitsakitsahana sy tsindry hazo lena manjo azy.”
Efa
aman-taonany no niketrehana ny lalàna hananganana io CNIDH io, fa izao vao
tanteraka. Maro ny anton’izany, fa anisan’ny mibahana dia izy tokony hahaleotena marina. Izany dia anisan’ny
antoky ny maha demokratika ny fitondrana ny Firenena.
Tsy manao
politika, ary mahaleotena ny CNIDH (and. 1, Lalàna n° 2014-007 tamin’ny
22 Jolay 2014).
Tena zava-dehibe io, antoky ny fahombiazan’ny
fiarovana mahomby ny zon’olombelona eto amin’ny Firenena.
Iza daholo ny mpikambana 10 ao anatin’ny CNIDH ?
-
Ny 2
dia parlemantera (1 avy ny solontenan’ny Antenimieram-Pirenena sy ny
Antenimieran-Doholona)
-
Ny 1 mpampianatra lalàna avy amin’ny Oniversite
-
Fa ny 7 kosa dia avy amin’ny
fiarahamonimpirenena, izay mitsinjara toa izao :
o
1 avy amina fikambanana mpanohana ny zon’ny
vehivavy
o
1 avy amina fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy
o
1 avy amina fikambanana mpiaro ny zon’ny olona miaina
amina fahasembanana
o
2 avy amina fikambanana miaro ny zon’olombelona
amin’ny ankapobeny
o
1 fidian’ny Holafitry ny Mpanao Gazety
o
1 misolontena ny sendikan’ny mpiasa.
Andraikitra goavana no ho sahanin’ny CNIDH arak’izany.
Eo ny firaisamonimpirenena no hampiseho fa manana ny finiavana, ny fahaizana
ary indrindra ny firaisankina ho entina miatrika izany andraikitra izany.
Ny firaisamonimpirenena no ho tsarain’ny
fitondram-panjakana sy ny vahoaka, na mampisondrontra tokoa ny fiarovana ny
zon’olombelona eto amin’ny Firenena na tsia.
Be loatra manko ankehitriny ny valala tsy mandady harona
no mihafy, mandefitra na miantoka mihitsy aza nefa manana ny rariny. Didin’ny
be sandry no matetika hita fa manjaka eto, ny mpanam-bola no mahazo rariny.
Ny kolikoly, izay tokony hatsangan’ny CNIDH ho
anisan’ny fahavalony goavana indrindra, no mazàna anton’izany.
Io no anisan’ny sakana lehibe tsy mahatanteraka ny
matoan’ny zon’olombelona, dia ny hoe : “Vao teraka ny zanak’olombelona rehetra
dia olon’afaka, samy manana hasina sy zo mitovy lenta” (And. Faha-1,
Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona).
Ny hahatonga io filamatra io ho zavamisy, hiainan’ny
Malagasy rehetra, no tokony himasoan’ny CNIDH.






