vendredi 16 octobre 2015

Inona no hataon-dRabenoro Mireille, raha lany soa aman-tsara ho mpikambana ao amin’ny CNIDH ?


Voalohany indrindra, hitady izay fomba fiaraha monina mirindra indrindra, fiaraha miasa mahomby indrindra, eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny CNIDH, mba hahatanteraka io filamatra io.
Miverimberina ao amin’ny Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona ny teny hoe ‘égalité’ izay hadika malalaka ho ‘miralenta’ – eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, fa koa eo amin’ny samy olombelona fa samy hafa fihaviana, na fivavahana, na volon-koditra, sns.
Samy homeko lanjany avokoa ireny, fa ny miralenta eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy no ananako traikefa manokana.

Ohatra : voalaza ao amin’ny Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona fa “ny isam-batan’olona dia manana zo hiaina ao anaty fahafahana sy fiarovana ny tenany” (and. Faha-3). Indrisy anefa, fa isan’andro vaky izao, mamaky amin’ny gazety fa nisy vehivavy, na ankizy vavy kely, voaolana sy novonoina ho faty indray tetsy sy teroa (jereo ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny Madagascar-tribune.com ny 26 juillet 2014 : « Le plus fondamental des droits de l’homme – et de la femme : le droit à la vie”.

Ohatra koa : voalaza ao amin’ny Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona fa “ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitovy zo (na : mira lenta) eo amin’ny fanambadiana, na mandritra ny maha mpivady izy izany na rehefa rava ny fanambadiana” (and. Faha 16). Izany anefa dia matetika tsy tanteraka, ary tsy eken’ny sain’ny lehilahy sasany akory (jereo ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny Madagascar-tribune.com tamin’ny 26 Aogositra 2014, “L’égalité entre les époux, base de la reconstruction sociale”.

Izany dia mifanandrify indrindra amin’ny andraikitry ny CNIDH, voarakitry ny lalàna manorina azy : “Mampahafantatra ny zon’olombelona ary miady amin’ny fomba rehetra mety hanitsakitsahana izany, amin’ny alalan’ny fanairana ny vahoaka izay homem-baovao sy fanabeazana mampiasa ny fanampariaham-baovao samihafa” (and. Faha 2, 11).

Ankoatra ny famoahana lahatsoratra an-gazety, dia maro samihafa ny fomba nentiko nandalina sy nanohana io zon’olombelona io, ary indrindra ao anatin’izany ny miralenta eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Teo ohatra ny fiaraha miasa amin’ny vondron’olona samihafa (Fanjakana, parlemantera, fikambanana samihafa) namolavolana sy nanosehana volavolan-dalàna hanatsaràna ny fiarovana ny zon’olombelona, indrindra amin’ny lafin’ny miralenta eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ka nahatafiditra ny andininy faha-6 ao amin’ny Lalam-panorenana tamin’ny 2010 mikasika ny miralenta.

Fiaraha miasa tamin’ny vondron’olona samihafa toa izany koa no nahafahana nanoratra ny tatitra mikasika ny fampiharana ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana mikasika ny Famongarana ny Fanavakavahana  amin’ny endriny rehetra mihatra amin’ny Vehivavy, izay nentiko narovana tany New York (Tatitra Voalohany, 1994), tamin’ny naha Tale miandraikitra ny Vehivavy sy ny Ankizy ahy tao amin’ny Ministeran’ny Mponina. Anisan’ny solontenan’ny Fanjakana Malagasy ihany koa aho tamin’ny niarovana ny Tatitra Faharoa (Genève, 2008), ary niara-nanoratra ny Tatitry ny Fiarahamonimpirenena tamin’ny namana hafa avy amin’ny fikambanana rahavavy vao haseho any Genève ato ho ato.

Fanoloran-kevitra, volavolan-dalàna ho an’ny Fanjakana mpanatanteraka sy ny Parlemanta ; fanaovana tatitra amin’ny Fanjakana mikasika ny zon’olombelona ; fandraisana anjara amin’ny tatitra tsy maintsy hataon’ny Fanjakana eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena, mikasika ny fanatanterahana ny fifanarahana samihafa : izany dia anisan’ny asa ho tanterahin’ny CNIDH rahatrizay tafantsangana, ary efa ananako traikefa.

Hampiseho ny fiarahamonimpirenena fa tena saro-mpiaro amin’ny fiarovana sy fanondrotana ny zon’olombelona, ary mahavita azy : izay no tanjona iriako hiaraha-manana amin’ny CNIDH manontolo.




0 commentaires:

Enregistrer un commentaire