lundi 19 octobre 2015

Fifidiana ho mpikambana ao amin'ny CNIDH na Voamiera Mahaleotena Miaro ny Zon’Olombelona

Iza no afaka mifidy?
Ireo fikambanana na ONG miorina ara-dalàna ka manana "statut" sy "récépissé d’enregistrement' na 'arrêté de création".
Aiza no mifidy?
Ny andiany voalohany, izay fifidianana ny "grands électeurs" dia amin'ireto toerana sy fotoana manaraka ireto:
- 12  sy13 Octobra 2015: Hôtel Tombontsoa FIANARANTSOA

- 12 sy 13 Octobra 2015: Hôtel Les Roches Rouges MAHAJANGA

- 15 sy 16 Octobra 2015:  Hôtel Victory TOLIARA

- 16 sy 17 Octobra 2015:  Hôtel de la Poste ANTSIRANANA

- 22 sy 23 Octobra 2015: Espace Miou Miou TOAMASINA

- 26 sy 27 Octobra 2015:  Development Learning Center (DLC) Anosy ANTANANARIVO.



Ahoana ny fizotry ny fifidianana?
  1. Ny andro voalohany : mandray ny antotantaratasy momban'ny fikambanana izay hifidy ny "grands électeurs" ny vaomiera manokana misahana izany. 
  2. Ny andro faharoa: mamoaka ny lisitry ny mpifidy"grands électeurs"
  3. Amin'io andro io ihany dia  manendry "grands électeurs" roa (2) sy fiandry iray (01) isaky ny vondrona ary isaky ny faritany ireo mpitarikan'ny fikambanana na ONG (ohatra: "grands électeurs" 2 ho an'ny filambanana miaro ny zon'ny ankizy + fiandry 1raha sendra tsy afaka ny iray amin'ireo solontena 2). 
  4. 03 novambra: mifidy ireo mpikambana isaky ny vondrona ny "grands électeurs" isaky ny faritany 


0 commentaires:

Enregistrer un commentaire