“Ilaina
ny zon’olombelona ho voaaro anaty Fanjakana tan-dalàna, mba tsy hahavoatery ny olona
hikomy noho ny fanitsakitsahana sy tsindry hazo lena manjo azy.”
Efa
aman-taonany no niketrehana ny lalàna hananganana io CNIDH io, fa izao vao
tanteraka. Maro ny anton’izany, fa anisan’ny mibahana dia izy tokony hahaleotena marina. Izany dia anisan’ny
antoky ny maha demokratika ny fitondrana ny Firenena.
Tsy manao
politika, ary mahaleotena ny CNIDH (and. 1, Lalàna n° 2014-007 tamin’ny
22 Jolay 2014).
Tena zava-dehibe io, antoky ny fahombiazan’ny
fiarovana mahomby ny zon’olombelona eto amin’ny Firenena.
Iza daholo ny mpikambana 10 ao anatin’ny CNIDH ?
-
Ny 2
dia parlemantera (1 avy ny solontenan’ny Antenimieram-Pirenena sy ny
Antenimieran-Doholona)
-
Ny 1 mpampianatra lalàna avy amin’ny Oniversite
-
Fa ny 7 kosa dia avy amin’ny
fiarahamonimpirenena, izay mitsinjara toa izao :
o
1 avy amina fikambanana mpanohana ny zon’ny
vehivavy
o
1 avy amina fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy
o
1 avy amina fikambanana mpiaro ny zon’ny olona miaina
amina fahasembanana
o
2 avy amina fikambanana miaro ny zon’olombelona
amin’ny ankapobeny
o
1 fidian’ny Holafitry ny Mpanao Gazety
o
1 misolontena ny sendikan’ny mpiasa.
Andraikitra goavana no ho sahanin’ny CNIDH arak’izany.
Eo ny firaisamonimpirenena no hampiseho fa manana ny finiavana, ny fahaizana
ary indrindra ny firaisankina ho entina miatrika izany andraikitra izany.
Ny firaisamonimpirenena no ho tsarain’ny
fitondram-panjakana sy ny vahoaka, na mampisondrontra tokoa ny fiarovana ny
zon’olombelona eto amin’ny Firenena na tsia.
Be loatra manko ankehitriny ny valala tsy mandady harona
no mihafy, mandefitra na miantoka mihitsy aza nefa manana ny rariny. Didin’ny
be sandry no matetika hita fa manjaka eto, ny mpanam-bola no mahazo rariny.
Ny kolikoly, izay tokony hatsangan’ny CNIDH ho
anisan’ny fahavalony goavana indrindra, no mazàna anton’izany.
Io no anisan’ny sakana lehibe tsy mahatanteraka ny
matoan’ny zon’olombelona, dia ny hoe : “Vao teraka ny zanak’olombelona rehetra
dia olon’afaka, samy manana hasina sy zo mitovy lenta” (And. Faha-1,
Fanambarana Maneran-tany momba ny Zon’Olombelona).
Ny hahatonga io filamatra io ho zavamisy, hiainan’ny
Malagasy rehetra, no tokony himasoan’ny CNIDH.
0 commentaires:
Enregistrer un commentaire